Tafita CASH POINT

Tafita CASH POINT Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Tafita CASH POINT, Mananara Avaratra, Antananarivo.

08/06/2026

AHOANA NY FANAOVANA DÉPÔT AM-PILAMINANA SY AM-PITANDREMANA ?
Ny fanarahana ireo dingana sy fepetra ireo dia manampy antsika hanome tolotra matihanina, azo antoka ary mahatoky ho an'ny mpanjifa. 🤝

🟢 MVola
➡️ #111*1*2*Numéro Client*1*Vola # dia tsindrio OK
🟠 Orange Money
➡️ #144*1*Numéro Client*Numéro Client*Vola # dia tsindrio OK
🔴 Airtel Money
➡️ *436*2 # dia araho ireto dingana manaraka ireto :
✅ Étape 1 : Ampidiro ny laharan'ny mpanjifa
✅ Étape 2 : Avereno ampidirina indray ilay laharana
✅ Étape 3 : Ampidiro ny vola hatao dépôt
✅ Étape 4 : Ampidiro ny référence na anton'ny dépôt
✅ Étape 5 : Ampidiro ny teny miafina (Code Secret) 🔒
━━━━━━━━━━━━━━━━━━━━

✅ INONA NO TOKONY HO ATAO?

💵 1. Raiso mialoha ny vola
Ataovy azo antoka fa voaray ny vola alohan'ny hanaovana ny opération ary isao tsara eo imason'ny mpanjifa.
🔍 2. Hamarino tsara ny antsipiriany rehetra
Alohan'ny hanamafisana ny transaction dia jereo tsara : ✔️ Ny laharan'ny mpanjifa
✔️ Ny anaran'ny tompon-kaonty
✔️ Ny montant na vola hatao dépôt
⚠️ Fahadisoana kely iray dia mety hiteraka olana lehibe.
🎓 3. Ampianaro hatrany ny mpanjifa
Anjarantsika ny manome fanazavana sy manampy azy ireo hahafehy ny kaontiny.
📌 Ohatra : • Ahoana ny fijerena solde?
• Ahoana ny fijerena historique?
• Ahoana ny fanavahana SMS tena izy sy SMS avy amin'ny mpisoloky? 🚫📱
• Ahoana ny fitazonana ny teny miafina ho tsiambaratelo? 🔐
━━━━━━━━━━━━━━━━━━━━

❌ INONA NO TSY TOKONY HO ATAO?

🚫 1. Tsy tokony hanevateva na hanambany mpanjifa
Ny fanajana sy ny fahalalam-pomba no fototry ny asa tsara. 🤝
🚫 2. Tsy tokony homena ny mpanjifa ny finday natokana hiasana
Miaro ny fiarovana sy ny tsiambaratelon'ny kaonty izany. 📵🔒
🚫 3. Tsy tokony ho hitan'olona ny fanindriana teny miafina
Arovy hatrany ny Code Secret ary ataovy miafina mandrakariva rehefa manao transaction. 🔐👀
━━━━━━━━━━━━━━━━━━━━
🌟 Tsarovy:
Ny fahamailoana, ny fahitsiana ary ny fanajana ny mpanjifa no antoky ny fahatokisana sy ny fahombiazan'ny asa. 💪✨

🚨 NDAO HIFANAMPY EMaro amintsika no efa niharan'ny fisolokiana, ary maro ihany koa no mbola mety ho voafitaka noho ny ts...
02/06/2026

🚨 NDAO HIFANAMPY E
Maro amintsika no efa niharan'ny fisolokiana, ary maro ihany koa no mbola mety ho voafitaka noho ny tsy fahafantarana.

✅ Zarao ao amin'ny commentaire:
• Ny fisolokiana izay efa sendra anao
• Ny zavatra nataonao tamin'izany
• Ny torohevitra hanampiana ny hafa mba tsy ho lasibatra

Mety ho commentaire iray monja avy aminao no hisoroka fahaverezam-bola, fifandirana, na olana lehibe ho an'ny olona maro.

⚠️ Marihina fa: Ny commentaire tsy mitondra vahaolana, torohevitra, na traikefa mifandraika amin'ny fiarovana dia mety hofafana mba hitazonana ny kalitaon'ny fifanakalozana.

Misaotra antsika rehetra mandray anjara amin'ny ady amin'ny fisolokiana.





01/06/2026

MBA LAZAO IZAY FOMBA FANTATRAO HOENTINA HANAVAHANA NY MESSAGE ✉️ TENA VOLA SY NY MESSAGE SANDOKA.
Go👇

22/05/2026

Ireto misy fitsipika tsotra nefa tena zava-dehibe:

💰 1 — Raiso mialoha foana ny vola espèce vao mandefa dépôt na transfert
❗ Aza mandefa vola mihitsy raha tsy voaray tsara eny an-tananao aloha ilay espèce.

👉 Antony:
Mety hoe olona marina ilay mpanjifa ka complet tsara ny vola.
Mety efa nisy vola lany tao anaty poketra nefa tsy tsaroany intsony.
Ary misy koa ireo mpisoloky mitady fomba hamelezana sy hanararaotana.
⚠️ Raha vao lasa ny vola dia sarotra be ny mamerina azy.
━━━━━━━━━━━━━━

📱 2 — Raha misalasala ny mpanjifa amin’ny numéro na anarana dia ajanony aloha
Ohatra: “Marina ve io numéro io?” “Diso angamba ilay anarana…”
➡️ Raha vao misy fisalasalana dia aza maika handefa vola. Raiso aloha ny mpanjifa hafa, avelao hieritreritra sy hanamarina tsara ilay tompony.
✅ Aleo tara kely toy izay hanenenana rehefa diso toerana ny vola.
━━━━━━━━━━━━━━

📨 3 — Andraso ho tonga tsara ny SMS fanamarinana vao asaina miala ny mpanjifa
❗ Tsy ampy hoe hoe “efa lasa io”. Tokony: ✔️ Tonga ny SMS ✔️ Voamarina tsara ny transaction ✔️ Hita mazava fa tafiditra na lasa ilay vola
➡️ Rehefa izay vao afaka miala ny mpanjifa.
━━━━━━━━━━━━━━

🛡️ Tsarovy: Ny fitandremana kely anio no misoroka fatiantoka lehibe rahampitso.
🙏 Zarao mba ho hitan’ny Cash Point rehetra, sao misy namana mbola tsy mailo.

Tafita CASH POINT






Malalaka ny commentaire hoan'ny CASH POINT sy ny MpanjifanyAtaovy ampahendrena fotsiny.
21/05/2026

Malalaka ny commentaire hoan'ny CASH POINT sy ny Mpanjifany
Ataovy ampahendrena fotsiny.

10/05/2026

Ataovy étape par étape ny fanaovana azy
#111*1 # aloha no atao

07/05/2026

Salamee
Hisy fanatsarana GOAVANA ho ataon'ny MVola,
Ka hiato kely ny fidirana @ tolotra MVola (18h: 09/05/26 h@
06h: 10/05/26)

16/04/2026

INONA NO ATAO REHEFA ELA BE ILAY SMS VAO MIVOAKA ?








13/04/2026

FORMATION CASH POINT :
Atao ahoana ny mivarotra crédit amin'ny mpanifa ?





25/02/2026

🚨 FANTATRAO VE FA ANATIN'NY SEGONDRA VITSY MONJA DIA METY HO VAKY NY KAONTINAO RAHA MBOLA MAMPIASA "CODE" MORA VINAVINAINA IANAO? 😱🔓
Indreto misy torohevitra vitsivitsy hanampy anao hamorona Code Secret tena matanjaka 💪🔐 izay sarotra ho an’ny mpangalatra kaonty:
❌ Ajanony avy hatrany ny fampiasana ireto, satria mora fantatra:
🚫 Taona izao (ohatra: 2024, 2025, 2026)
🚫 Daty nahaterahanao na an’ny vady aman-janaka
🚫 Faran’ny laharana findainao
🚫 Faran’ny numéro CIN-nao na ny daty nanaovanao azy
⚠️ Tadidio: Ny mpijirika dia manomboka mitady amin’ireo zavatra mora vinavinaina indrindra.
✅ Code matanjaka dia ilay TSY MISY IFANDRAISANY AMIN’NY MOMBA ANAO mihitsy 🧠🔒
Ataovy sarotra vinavinaina, fa mora tadidinao ihany.
👉 Arovy ny kaontinao dieny izao… satria segondra iray monja dia mety hanova ny zava-drehetra. ⚡
Tafita CASH POINT




Address

Mananara Avaratra
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tafita CASH POINT posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share