Le Guide Du Vendeur.MG

Le Guide Du Vendeur.MG Focus Life est une page dédiée à la motivation, à la discipline et au développement personnel✔. Ici, nous croyons que le succès commence par l’état d’esprit.

📚 Formation en vente et business.
💡 Apprenez à vendre avec confiance.
📈 Stratégies, marketing et acquisition de clients.
🚀 Développez vos compétences et vos revenus.

📞 +261379414063 Chaque jour, nous partageons des messages inspirants pour t’aider à rester concentré sur tes objectifs, à dépasser les obstacles et à devenir la meilleure version de toi-même✔❤.

AHOANA NO HISAFIDIANA NY PRODUIT HAMIDY?Alohan'ny hivarotanao produit iray, apetraho amin'ny tenanao ireto fanontaniana ...
12/06/2026

AHOANA NO HISAFIDIANA NY PRODUIT HAMIDY?

Alohan'ny hivarotanao produit iray, apetraho amin'ny tenanao ireto fanontaniana 3 ireto :

1️⃣ Mila an'io ve ny olona?
2️⃣ Fantatro tsara ve io produit io?
3️⃣ Afaka manazava mora foana ny tombony entiny ve aho?

✅ Matetika, ny produit tsara amidy dia ilay mamaha olana tena atrehan'ny olona isan'andro.

🎯 Lesona androany :

Aza misafidy produit satria fotsiny hoe malaza izy. Misafidia azy satria mahasoa sy ilain'ny olona.

💬 Ary ianao, inona no produit tianao hamidy? Soraty eo amin'ny commentaire!

VENDEZ-MOI CE STYLO😊🖋️ 📢 Rehefa mivarotra ianareo dia inona ny varotanareo ny produit sa ny vokatra aterakin'ny produit ...
10/06/2026

VENDEZ-MOI CE STYLO😊🖋️

📢 Rehefa mivarotra ianareo dia inona ny varotanareo ny produit sa ny vokatra aterakin'ny produit nareo?

Ao amin'ny sarimihetsika dia, tsy ny vokatra no tena nampiavaka ireo mpivarotra nahomby.

Ny heriny dia : 🔥 Fahatokisan-tena 🔥 Fahaizana mifandray amin'olona 🔥 Fahaizana mandresy lahatra 🔥 Fahaizana tsy kivy rehefa lavina
Tsarovy fa :

💡 Tsy mividy vokatra ny olona, fa mividy nofinofy, vahaolana ary vokatra andrasany amin'ny fiainany.

Raha mivarotra penina ianao, aza amidy ny penina.
Amidio ny :

✅ Fahafahana manoratra fifanarahana.
✅ Fahafahana manasonia nofinofy.
✅ Fahafahana manomboka tetikasa vaovao.

Ny mpivarotra lehibe dia tsy mifantoka amin'ny zavatra amidiny.
Izy ireo mifantoka amin'ny olona vidiny sy ny olany.

🎯 Lesona androany : "Ny varotra dia tsy momba ny fanerena olona hividy, fa momba ny fanampiana azy hahita ny vahaolana ilainy."

🚀 Raha te ho lasa mpivarotra matihanina ianao dia mila mianatra isan'andro, manatsara ny fahaizanao ary tsy matahotra ny fandavana.

💬 Raha omena penina ianao izao, ahoana no hivarotanao azy amiko?

👇 Soraty ao amin'ny commentaire ny valinteninao. Ny valiny tsara indrindra dia hasongadina eto amin'ny pejy Le Guide du Vendeur. 🔥📈
📚😊🇲🇬🥰

IREO FADISOHANA TELO MANIMBA NY VAROTRA:❌ Voalohany : Miresaka ny vokatra fotsiny.Tian'ny mpanjifa ho fantatra hoe inona...
05/06/2026

IREO FADISOHANA TELO MANIMBA NY VAROTRA:

❌ Voalohany : Miresaka ny vokatra fotsiny.
Tian'ny mpanjifa ho fantatra hoe inona no fiovana ho entin'ilay vokatra eo amin'ny fiainany.

❌ Faharoa : Te hivarotra amin'ny olona rehetra.
Ny mpivarotra mahay dia mahafantatra ireo olona tena liana amin'ny atolony.

❌ Fahatelo : Kivy sy mijanona rehefa nolavina.
Maro amin'ireo varotra no tanteraka rehefa avy nifampiresaka imbetsaka tamin'ny mpanjifa.

🎯 Lesona androany : Tsy midika foana hoe farany ny fandavana iray.

💬 Ary ianao, iza amin'ireo hadisoana ireo no efa nataonao?

Abonnez vous 👆

Nahoana ny olona sasany no mahavita mivarotra mora foana, nefa ny hafa kosa sahirana na dia amin’ny famaranana varotra i...
03/06/2026

Nahoana ny olona sasany no mahavita mivarotra mora foana, nefa ny hafa kosa sahirana na dia amin’ny famaranana varotra iray aza ?

Maro ny olona mihevitra fa ny mpivarotra mahomby dia ireo olona be resaka. Raha ny marina anefa, ny mpivarotra mahomby indrindra dia ireo mahay mihaino tsara indrindra.

Tsy mividy vokatra ny mpanjifa, fa mividy vahaolana amin’ny olany izy ireo, na fomba hanatrarana tanjona iray.

Alohan’ny hanolorana inona na inona dia, mametraha fanontaniana hoe :

✅ Inona no ilainao ?
✅ Inona ny olana tianao hovahana ?
✅ Inona no andrasanao amin’ity vokatra ity ?

Arakaraka ny fahatakaranao ny mpanjifanao no hahamora kokoa ny manolotra vahaolana mifanaraka aminy.

🎯 Lesona androany : Mihainoa bebe kokoa noho ny fitenenana.

💬 Araka ny hevitrao, inona no toetra manan-danja indrindra amin’ny mpivarotra ?

Address

Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Le Guide Du Vendeur.MG posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share