Infomada

Infomada Prestation de service informatique

📚 Formations professionnelles :
‱ Informatique bureautique
‱ Maintenance informatique (hardware, software, rĂ©seau)
‱ Excel avancĂ©
‱ Community management

🛠 Prestations de services informatiques Formation professionnelle en Informatique : Informatique bureautique, Maintenance et rĂ©seau, Developpement Web, CrĂ©ation site Wordpress, Administration systĂšme Linux et Windows.

Vao nividy ORDINATEUR vaovao ve ianao? AZA TONGA DIA AMPIASAINA!Maro ny olona rehefa vao mividy ordinateur vaovao dia ma...
03/09/2026

Vao nividy ORDINATEUR vaovao ve ianao? AZA TONGA DIA AMPIASAINA!

Maro ny olona rehefa vao mividy ordinateur vaovao dia manokatra azy dia tonga dia mametraka logiciel sy misintona zavatra rehetra.

❌ Fahadisoana izany!

Raha tianao haharitra ela ny ordinateur-nao, ho azo antoka ary hiasa tsara, dia misy zavatra 7 tokony hataonao voalohany.

1ïžâƒŁ ATAOVY NY MISE À JOUR

Voalohany indrindra, jereo raha misy mise Ă  jour ho an'ny Windows sy ireo pilotes.
Ny mise Ă  jour dia afaka manampy amin'ny fanamboarana bugs, fanatsarana ny performance ary fiarovana ny ordinateur.

👉 Aza atao tsinontsinona rehefa misy mise à jour importante.

2ïžâƒŁ ASIO ANTIVIRUS

Zava-dehibe ny fiarovana ny ordinateur-nao.
Raha Windows no ampiasainao dia jereo fa mandeha tsara ny Microsoft Defender ary ataovy mandeha ny protection.

👉 Aza mieritreritra hoe satria vaovao ilay ordinateur dia tsy mila protection.

3ïžâƒŁ APETRAHO IHANY IREO LOGICIEL ILAINAO

Aza mametraka logiciel 20 avy hatrany satria hoe “mety ilaina any aoriana”.
Apetraho aloha izay tena ilainao: navigateur, Word, Excel, lecteur PDF, logiciel de communication, sns.

👉 Ary indrindra, misintona logiciel avy amin'ny source azo itokisana.

4ïžâƒŁ ESORY IREO PROGRAMME TSY ILAINA

Indraindray misy programme efa napetraka ao amin'ny ordinateur nefa tsy hampiasainao mihitsy.
Raha tsy ilaina dia azonao désinstaller izy ireny mba hanadiovana ny systÚme sy hanafahana espace.

👉 Aza mamela programme tsy ampiasaina hanangona fotsiny ao amin'ny ordinateur.

5ïžâƒŁ AMAFISO NY SÉCURITÉ

Ampiasao mot de passe na PIN mba hiarovana ny session-nao.

Ataovy mandeha ihany koa ny verrouillage automatique rehefa tsy mampiasa ordinateur ianao.

👉 Tsotra izany, fa afaka miaro tsara ny fichiers sy ny informations personnelles-nao.

6ïžâƒŁ ALAMINO NY FICHIERS

Aza avela hiparitaka eny amin'ny Bureau daholo ny documents.

MamorĂČna dossiers mazava, ohatra:

📁 Documents
📁 Images
📁 VidĂ©os
📁 Travail
📁 Projets
📁 TĂ©lĂ©chargements

👉 Rehefa milamina ny fichiers dia mora kokoa ny mahita izay ilainao.

7ïžâƒŁ MANAOVA SAUVEGARDE

Ity no iray amin'ireo zavatra tena tsy tokony hohadinoina.

Raha manana document important, photos na fichiers de travail ianao, dia manaova sauvegarde amin'ny disque externe, clé USB na cloud.

👉 Satria mety ho simba tampoka ny ordinateur, ka tsara kokoa ny manana copie any amin'ny toerana hafa.

TADIDIO:

Ordinateur vaovao ≠ ordinateur efa vonona amin'ny zavatra rehetra.

Ny fikarakarana ataonao ao anatin'ny andro voalohany dia afaka manampy amin'ny sécurité, performance ary faharetan'ny ordinateur-nao.

Vao nividy ordinateur vaovao ve ianao? Inona amin'ireo 7 ireo no mbola tsy nataonao?

Enregistre-o ity publication ity mba hiverenanao hijery azy rehefa mividy PC vaovao ianao, ary partage-o amin'ny namana iray izay mikasa hividy ordinateur.

-------------------------------------
Tianao ve raha ianao ihany dia mahavita manamboatra ny ordinateur-nao rehefa misy fahasimbany ?

Leo mandany vola be sy ampifilafilain'ny olona foana rehefa misy fahasimbany ny ordinateur?

Ndao hianatra an'ireto 03 modules ireo : Maintenance HARDWARE/SOFTWARE/RESEAU

Prochaine rentrée samedi : 05 Septembre
Prochaine rentrée andavanandro : 07 Septembre

Sorato fotsiny hoe MHSR dia mahazo details misimisy kokoa ianao

Inona no anjara asan’ny disque dur (HDD na SSD) ao amin’ny ordinateur?A. Mitahiry maharitra ny donnĂ©esB. Mampiseho sary ...
03/09/2026

Inona no anjara asan’ny disque dur (HDD na SSD) ao amin’ny ordinateur?

A. Mitahiry maharitra ny données
B. Mampiseho sary eo amin’ny Ă©cran
C. Mampifandray ny ordinateur amin’ny Internet
D. Mandefa ny programmes

💬 Soraty ao amin’ny commentaire ny valinteninao: A, B, C sa D?

Inona no anjara asan’ny RAM amin’ny ordinateur?   A. Mampifandray ny ordinateur amin’ny Internet   B. Mitahiry maharitra...
02/09/2026

Inona no anjara asan’ny RAM amin’ny ordinateur?

A. Mampifandray ny ordinateur amin’ny Internet
B. Mitahiry maharitra ny fichiers
C. Mampiseho sary eo amin’ny Ă©cran
D. Mitahiry vonjimaika ny données ampiasaina

-------------------------------------
Tianao ve raha ianao ihany dia mahavita manamboatra ny ordinateur-nao rehefa misy fahasimbany ?

Leo mandany vola be sy ampifilafilain'ny olona foana rehefa misy fahasimbany ny ordinateur?

Ndao hianatra an'ireto 03 modules ireo : Maintenance HARDWARE/SOFTWARE/RESEAU

Prochaine rentrée samedi : 05 Septembre
Prochaine rentrée andavanandro : 07 Septembre

Sorato fotsiny hoe MHSR dia mahazo details misimisy kokoa ianao

IZA KOA ARY ITONY MALAGASY MITADY HANAMBAKA MALAGASY ITONY :) Tandremo zareo sao tratra mclic an'itony lien itony an !!!
02/09/2026

IZA KOA ARY ITONY MALAGASY MITADY HANAMBAKA MALAGASY ITONY :) Tandremo zareo sao tratra mclic an'itony lien itony an !!!

METY HANOKATRA NY VARAVARANA HO ANAO RAHAMPITSO ITY.Mety mbola tsy tsapanao izao
Fa indraindray, tsy ny diplaoma iray no...
01/09/2026

METY HANOKATRA NY VARAVARANA HO ANAO RAHAMPITSO ITY.

Mety mbola tsy tsapanao izao


Fa indraindray, tsy ny diplaoma iray no tsy ampy aminao, fa ny compétence iray.

Olona maro no mitady asa, mitady opportunitĂ©, na te hanatsara ny fiainany, nefa rehefa tonga amin’ny fotoana ilana informatique dia misalasala:

“Mahafehy Word ve ianao?”
“Mahafantatra Excel ve ianao?”
“Afaka manoratra sy mandamina document amin’ny ordinateur ve ianao?”
“Mahafehy PowerPoint ve ianao?”

Ary eo indrindra no ahitanao fa ny zavatra heverinao ho kely androany, mety ho tena ilaina rahampitso.

Tsy mila miandry hoe rehefa mahazo asa vao mianatra.

Tsy mila miandry hoe rehefa manana ordinateur manokana vao manomboka.

Ary indrindra, tsy mila menatra hoe mbola tsy mahay ianao.

Satria ny olona mahay informatique anio dia nisy fotoana koa tsy nahalala na dia hoe aiza no tsindriana aza.

Ny maha-samihafa azy?

Nanomboka nianatra izy.

Eritrereto kely hoe afaka volana vitsivitsy ianao, mipetraka eo anoloan’ny ordinateur ary tsy matahotra intsony rehefa mahita Word, Excel na PowerPoint.

Afaka manao document tsara.
Afaka manao tableau.
Afaka mandamina données.
Afaka manao présentation.
Ary indrindra, afaka milaza amin’ny tenanao hoe:

“Eny, mahay aho.”

Izany no tena valeur-n’ny compĂ©tence.

Satria mety tsy ho hitanao avy hatrany ny vokany rehefa mianatra ianao.

Fa rehefa tonga ny opportunité, dia ilay compétence nianaranao omaly no mety hahatonga anao ho olona voafidy anio.

Aza miandry ny varavarana hisokatra vao manomboka miomana.

Omano aloha ny tenanao.

Raha tena ao an-tsainao ny hoe:
“Te hahay informatique aho”, aza avela hijanona ho eritreritra fotsiny izany.

Manomboha mianatra.

Ny compétence anananao androany no mety hanokatra ny varavarana ho anao rahampitso.

💬 Raha tena te hahay informatique ianao, soraty fotsiny hoe “TE HIANATRA”.

đ…đ„đđ„Ì‚đ“đ‘đ„, 𝐌𝐄𝐍𝐔, 𝐎𝐍𝐆𝐋𝐄𝐓 : 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀𝐎 𝐕𝐄 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀 𝐀𝐙𝐘?Mampiasa ordinateur na tĂ©lĂ©phone isan’andro isika, nefa misy...
01/09/2026

đ…đ„đđ„Ì‚đ“đ‘đ„, 𝐌𝐄𝐍𝐔, 𝐎𝐍𝐆𝐋𝐄𝐓 : 𝐅𝐀𝐍𝐓𝐀𝐓𝐑𝐀𝐎 𝐕𝐄 𝐍𝐘 𝐌𝐀𝐇𝐀 𝐒𝐀𝐌𝐘 𝐇𝐀𝐅𝐀 𝐀𝐙𝐘?

Mampiasa ordinateur na tĂ©lĂ©phone isan’andro isika, nefa misy zavatra 3 tena fahita matetika izay mbola afangaro: fenĂȘtre, menu ary onglet.

Raha te hahafehy tsara ny informatique ianao, dia ilaina ny mahafantatra ny tena asan’izy ireo. Andeha hazavaina amin’ny fomba tsotra.

1ïžâƒŁ FENÊTRE : ilay faritra iasanao

Ny fenĂȘtre dia ilay faritra lehibe miseho eo amin’ny Ă©cran rehefa manokatra logiciel na application ianao.
Ohatra, rehefa manokatra Microsoft Word, dia misy fenĂȘtre iray miseho ahafahanao manoratra sy miasa.

👉 Raha tsorina: fenĂȘtre = toerana lehibe iasanao ao amin’ilay application.

2ïžâƒŁ MENU : lisitry ny safidy

Ny menu kosa dia fitambaran’ireo options sy commandes azonao ampiasaina ao amin’ny logiciel.
Ohatra ao amin’ny Word dia ahitanao hoe Fichier, Accueil, Insertion, Mise en page, sns.
Rehefa misafidy menu iray ianao dia miseho ireo fitaovana sy commandes mifandraika aminy.

👉 Raha tsorina: menu = lisitry ny safidy sy fitaovana ampiasainao.

3ïžâƒŁ ONGLET : pejy maromaro ao anaty fenĂȘtre iray

Ny onglet dia ahafahanao manokatra sy mandamina pejy na sections maromaro ao anatin’ny fenĂȘtre iray ihany.

Ohatra, rehefa mampiasa Google Chrome ianao, dia afaka manokatra site maro miaraka:

📌 YouTube
📌 Google
📌 Facebook
📌 Gmail

Samy manana onglet-ny avy izy ireo, nefa ao anatin’ny fenĂȘtre Chrome iray ihany.

👉 Raha tsorina: onglet = pejy maromaro azonao sokafana ao anatin’ny fenĂȘtre iray.

4ïžâƒŁ Azo ampiasaina miaraka izy ireo

Mety ho hita miaraka ao amin’ny Ă©cran iray mihitsy ireo zavatra 3 ireo.

Ohatra, rehefa mampiasa Chrome ianao:

FenĂȘtre → ilay Chrome manontolo eo amin’ny Ă©cran.

Onglet → YouTube, Google, Facebook izay misokatra tsirairay.

Menu → ireo safidy fanampiny toy ny paramĂštres, historique, tĂ©lĂ©chargements, sns.

Izany no mahatonga azy ireo ho mora afangaro, indrindra ho an’ny olona vao manomboka mianatra informatique.

5ïžâƒŁ TADIDIO ITY FOMBA TSOTRA ITY

FENÊTRE đŸ–„ïž → toerana lehibe iasana.

MENU 📋 → lisitry ny options sy commandes.

ONGLET 📑 → pejy maromaro ao anatin’ny fenĂȘtre iray.

Raha azonao tsara ireo teny 3 ireo dia hanampy anao hahatakatra kokoa ny interface an’ireo logiciels sy applications ampiasainao isan’andro.

Iza amin’izy 3 ireo no mbola nampifangaroinao taloha: FenĂȘtre, Menu sa Onglet? Soraty ao amin’ny commentaire ny valinteninao.

Raha mahasoa anao ity fanazavana ity, partage-o amin’ny olona iray izay vao manomboka mianatra informatique.

LINUX SA WINDOWS : IZA NO TSARA HO ANAO?Raha manana ordinateur ianao, dia efa nihaona tamin'ny Windows angamba. Fa efa n...
31/08/2026

LINUX SA WINDOWS : IZA NO TSARA HO ANAO?

Raha manana ordinateur ianao, dia efa nihaona tamin'ny Windows angamba. Fa efa nandre momba ny Linux ve ianao?

Samy systùme d’exploitation izy roa. Samy afaka ampiasaina amin'ny ordinateur, mametraka logiciel, mitantana fichiers ary mifandray amin'ny Internet.
Saingy tsy mitovy ny fomba fiasany sy ny olona tena mety aminy.

Andeha hojerentsika amin'ny fomba tsotra.

1ïžâƒŁ Mora ampiasaina : Windows

Amin'ny ankapobeny, Windows dia mora ianarana ho an'ny olona vao manomboka. Mahazatra olona maro ny interface-ny, ka mora ny mitady fichiers, mametraka logiciel ary mampiasa ireo fonctionnalités samihafa.
Linux kosa mety mitaky fahalalana bebe kokoa, indrindra rehefa mampiasa Terminal sy commandes.

👉 Raha vao manomboka amin'ny informatique ianao, Windows dia mety ho mora raisina kokoa.

2ïžâƒŁ Logiciels sy compatibilitĂ©

Ity no iray amin'ireo tombony lehibe an'ny Windows.
Betsaka ny logiciels sy jeux natao manokana hiasa amin'ny Windows. Ohatra, ireo logiciels toy ny Word, Excel, PowerPoint, ary jeux maro dia manana compatibilité tsara amin'ny Windows.

Linux kosa tena malaza amin'ny programmation, développement, serveurs, réseaux ary administration systÚme.

👉 Miankina amin'ny zavatra tianao hatao àry ny safidy.

3ïžâƒŁ SĂ©curitĂ©

Samy afaka manana sécurité tsara ireo systÚmes roa ireo, saingy manana fomba fiasa samihafa.
Linux dia malaza amin'ny rafitra permissions sy ny fahafahana mifehy bebe kokoa ny systĂšme.

Windows kosa manana fitaovana fiarovana toy ny Microsoft Defender sy firewall.
Na inona na inona systĂšme ampiasainao, mbola ilaina foana ny mitandrina: aza mametraka logiciel avy amin'ny toerana tsy azo itokisana ary aza manokatra fichiers mampiahiahy.

4ïžâƒŁ Personnalisation

Raha tianao ny manova sy manamboatra ny systĂšme araka izay itiavanao azy, dia manana fahafahana lehibe i Linux.
Misy distributions maro toy ny Ubuntu, Linux Mint, sns., ary afaka misafidy environnement de bureau samihafa ianao.
Windows koa azo personnaliser-na, saingy voafetra kokoa ny fanovana raha oharina amin'ny Linux.

5ïžâƒŁ Iza no tokony hisafidy?

👉 Windows dia mety aminao raha mila systĂšme mora ampiasaina, logiciel maro, jeux ary compatibilitĂ© lehibe amin'ny matĂ©riel ianao.
👉 Linux kosa mety aminao raha liana amin'ny programmation, rĂ©seaux, serveurs, cybersĂ©curitĂ©, na te hianatra sy hifehy bebe kokoa ny fonctionnement-n'ny systĂšme ianao.

Tsy misy valiny tokana hoe iza no tsara indrindra.
Ny tena fanontaniana tokony hapetrakao dia:

“Inona no tiako hatao amin'ny ordinateur-ko?”

Rehefa fantatrao ny tanjonao dia mora kokoa ny misafidy ny systĂšme mifanaraka aminao.

Ary ianao, raha omena safidy: WINDOWS sa LINUX? Nahoana? Soraty ao amin'ny commentaire ny safidinao.

𝐄𝐗𝐏𝐋𝐎𝐑𝐀𝐓𝐄𝐔𝐑 𝐃𝐄 𝐅𝐈𝐂𝐇𝐈𝐄𝐑𝐒 𝐒𝐀 𝐃𝐎𝐒𝐒𝐈𝐄𝐑 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐕𝐘 𝐕𝐄 𝐈𝐙𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎?Mampiasa ordinateur isan’andro ianao, fa raha anontaniana hoe “I...
30/08/2026

𝐄𝐗𝐏𝐋𝐎𝐑𝐀𝐓𝐄𝐔𝐑 𝐃𝐄 𝐅𝐈𝐂𝐇𝐈𝐄𝐑𝐒 𝐒𝐀 𝐃𝐎𝐒𝐒𝐈𝐄𝐑 : 𝐌𝐈𝐓𝐎𝐕𝐘 𝐕𝐄 𝐈𝐙𝐘 𝐈𝐑𝐄𝐎?

Mampiasa ordinateur isan’andro ianao, fa raha anontaniana hoe “Inona no maha samy hafa ny Explorateur de fichiers sy ny dossier?”, afaka manazava ve ianao?

Maro no mampifangaro azy roa. Samy ilaina izy ireo, saingy tsy mitovy ny asany.

1ïžâƒŁ Explorateur de fichiers = logiciel

Ny Explorateur de fichiers dia fitaovana ao amin’ny Windows ahafahanao mitady, manokatra, mandamina, mamindra, mandika na mamafa fichiers sy dossiers.
👉 Ohatra: rehefa manindry Windows + E ianao, dia misokatra ny Explorateur de fichiers.

2ïžâƒŁ Dossier = toerana fitahirizana

Ny dossier kosa dia toerana iray ampiasaina handaminana sy hanangonana fichiers.
Ohatra, afaka mamorona dossier antsoina hoe “Documents” ianao, dia mametraka ao anatiny ny fichiers Word, PDF, Excel, sns.

👉 Toy ny “boüte” iray handaminana ireo fichiers izy.

3ïžâƒŁ Ny Explorateur no ahafahanao miditra amin’ny dossier

Rehefa manokatra Explorateur de fichiers ianao, dia afaka mahita ireo dossiers sy fichiers ao amin’ny ordinateur-nao.
Afaka miditra amin’ny Documents, Images, TĂ©lĂ©chargements, Bureau, na toerana hafa ianao.

👉 Noho izany, ny Explorateur no fitaovana ampiasaina hivezivezena, fa ny dossier kosa dia iray amin’ireo toerana hivezivezena ao anatiny.

4ïžâƒŁ Afaka misy zavatra maro ao anaty dossier

Tsy voatery fichier iray ihany no ao anaty dossier.

Afaka misy documents, images, vidéos, PDF, ary na dossiers hafa aza.

Ohatra:

📁 UNIVERSITÉ
→ 📁 COURS
→ 📁 EXERCICES
→ 📄 planning.pdf

Izany no mahatonga ny dossier ho tena ilaina amin’ny fandaminana fichiers.

5ïžâƒŁ Tadidio ity fahasamihafana ity

EXPLORATEUR DE FICHIERS → ilay logiciel ahafahanao mitady sy mitantana fichiers sy dossiers.

DOSSIER → toerana ampiasaina hitahirizana sy handaminana fichiers sy dossiers hafa.

Raha ampitahaina amin’ny fiainana andavanandro, ny Explorateur dia toy ny olona mitady sy mandamina ireo zavatra, fa ny dossier kosa toy ny boaty ametrahana sy handaminana azy ireo.

Efa fantatrao ve izao ny maha samy hafa azy roa? Raha vao izao ianao no tena nahazo tsara azy, soraty hoe “AZOKO” ao amin’ny commentaire.

AZA MIANDRY HO VONONA VAO MIANATRA.MIANARA DIA HO VONONA IANAO.Matetika isika no miteny hoe:“Rehefa vonona aho vao hiana...
30/08/2026

AZA MIANDRY HO VONONA VAO MIANATRA.
MIANARA DIA HO VONONA IANAO.

Matetika isika no miteny hoe:

“Rehefa vonona aho vao hianatra.”
“Rehefa manana ordinateur aho.”
“Rehefa manana fotoana malalaka aho.”
“Rehefa afaka aho dia hanomboka.”

Fa raha miandry ny fotoana hahatsapanao fa tena vonona ianao, mety mbola hiandry ela.

Satria ny fahavononana dia tsy zavatra tonga tampoka. Miforona rehefa manomboka mianatra sy manao zavatra ianao.

Tsy voatery efa mahay informatique vao mianatra informatique. Tsy voatery efa mahay Word, Excel na PowerPoint vao miditra amin’ny formation.

Manomboka amin’izay tsy hainao ianao.

Mety ho sarotra amin’ny voalohany. Mety hisy zavatra tsy ho azonao avy hatrany. Mety hanao erreur ianao. Ary ara-dalàna izany.

Fa isan’andro, rehefa mianatra zavatra iray vaovao ianao, dia mihatsara tsikelikely.

Ilay olona matahotra hikasika ordinateur androany, mety ho afaka mampiasa azy tsara afaka fotoana fohy.

Ilay olona tsy mahay Excel androany, mety ho afaka manao tableau sy calculs rahampitso.

Tsy mila miandry ho vonona vao manomboka.

Atombohy amin’izay anananao, amin’izay haizinao, ary amin’izay fotoana anananao.

Satria indraindray, tsy ny fahavononana no mahatonga antsika hanomboka. Fa ny fanombohana mihitsy no mahatonga antsika ho vonona.

Mianara androany. Ho vonona kokoa ianao rahampitso.

FANTATRAO VE NY ANARAN’IREO PORTS AO AMIN’NY ORDINATEUR-NAO?USB, USB-C, HDMI, RJ45
 Mety efa hitanao matetika ireo, fa f...
29/08/2026

FANTATRAO VE NY ANARAN’IREO PORTS AO AMIN’NY ORDINATEUR-NAO?

USB, USB-C, HDMI, RJ45
 Mety efa hitanao matetika ireo, fa fantatrao ve hoe inona marina no asan’ny tsirairay?

Ny fahafantarana azy ireo dia tena ilaina rehefa te hampifandray pĂ©riphĂ©riques, hanao transfert de donnĂ©es, na hamaha olana amin’ny ordinateur.

1ïžâƒŁ USB

Io no iray amin’ireo port fampiasa matetika indrindra.
Ampiasaina hampifandraisana clé USB, souris, clavier, téléphone, disque externe, sns.

👉 Ohatra: ny USB 3.0 dia afaka manao transfert de donnĂ©es haingana kokoa noho ny USB 2.0.

2ïžâƒŁ USB-C

Port kely sy azo ampidirina amin’ny lafiny roa izy io.
Ampiasaina amin’ny tĂ©lĂ©phone, ordinateur portable, tablette ary appareils maro hafa.

👉 Miankina amin’ny appareil sy ny cĂąble ampiasaina, ny USB-C dia afaka manao transfert de fichiers, recharge ary indraindray mampita sary mankany amin’ny Ă©cran.

3ïžâƒŁ HDMI

Raha te hampifandray ordinateur amin’ny TV, vidĂ©oprojecteur na Ă©cran externe ianao, dia matetika HDMI no ampiasaina.
👉 Afaka mampita image sy son amin’ny cñble iray izy.

4ïžâƒŁ RJ45 / Ethernet

Io no port ampiasaina rehefa te hampifandray ordinateur amin’ny rĂ©seau filaire.
Ampiasaina miaraka amin’ny cñble Ethernet izy ary afaka mampifandray PC amin’ny routeur na switch.

👉 Tombony lehibe: connexion stable sy haingana.

5ïžâƒŁ Prise Audio Jack

Ity indray no ampiasaina amin’ny casque, Ă©couteurs na microphone.
👉 Ohatra: rehefa te hihaino musique na hanao visioconfĂ©rence amin’ny casque ianao, dia mety io no port ampiasaina.

Raha fintinina:

USB → pĂ©riphĂ©riques sy transfert de donnĂ©es
USB-C → recharge, donnĂ©es ary fonctions hafa
HDMI → image sy son
RJ45 → connexion rĂ©seau filaire
Audio Jack → son sy microphone

Ny fahafantarana ny anaran’ireo ports ireo dia hanampy anao tsy hikoropaka rehefa mampifandray appareil na manao dĂ©pannage informatique.

Iza amin’ireo ports ireo no tena ampiasainao matetika? Lazao ao amin’ny commentaire.

-------------------------------------
Tianao ve raha ianao ihany dia mahavita manamboatra ny ordinateur-nao rehefa misy fahasimbany ?

Leo mandany vola be sy ampifilafilain'ny olona foana rehefa misy fahasimbany ny ordinateur?

Ndao hianatra an'ireto 03 modules ireo : Maintenance HARDWARE/SOFTWARE/RESEAU

Prochaine rentrée samedi : 05 Septembre
Prochaine rentrée andavanandro : 07 Septembre

Sorato fotsiny hoe MHSR dia mahazo details misimisy kokoa ianao

Address

Anosizato Andrefana
Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Infomada posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Infomada:

Shortcuts

Share