27/09/2024
TORO-HEVITRA HO ANTSIKA MANANA OLANA AMIN'NY OZATRA SY NY VANIN-TAOLANA ( Goutte, arthrite, arthrose, rhumatismes)
Salama daholo indray o ✨
Fotoana fihetsehan'ny mangontsongotsoka amin'ny ozatra sy vanin-taolana koa ny andro mangatsiaka ary tena tsy laitra rehefa mihetsika izay.
Ndao aloha ho resahina fohifohy hoe INONA NO MAHATONGA NY OZATRA SY VANIN-TAOLANA LASA MARARY ?:
👉 Fivontosana ela loatra amin'ny faritra misy ny ozatra sy vanin-taolana
👉 Fihinana sakafo matsiro be loatra
👉 Infections bactériennes na koa infections virales any anaty ozatra sy vanin-taolana
👉 Ny fahanterana : rehefa antitra isika dia miha marefo ny vatana dia marefo tahaka izay koa ny ozatra sy vanin-taolana
👉 Tarazo : mety ho avy amin'ny ray aman-dreny ihany koa no mahatonga ny olan'ny ozatra sy vanin-taolana
👉 Mety avy amin'ny tontolo iainana ihany koa no mahatonga ny olan'ny ozatra sy vanin-taolana : sakafo tsy ara-pahasalamana, be zezika simika sns
MISY KARAZANY MARO OLAN'NY OZATRA SY NY VANIN-TAOLANA:
👉 ARTHRITE : matetika izy io fivontosan'ny vanin-taolana
👉 ARTHROSE ( ostéoarthrite) : ny fahanteran'ny cartilage matetika no mahatonga azy io
👉 POLYARTHRITE RHUMATOÏDE : aretina ateraky ny système immunitaire izy io ka mahatonga fahasimban'ny taolana sy ny cartilage
👉 GOUTTE: Arthrite ateraky ny fahabetsahan'ny " cristaux d'urate " amin'ny vanin-taolana no mahatonga azy ary ny ratsan-tongotra no tratra voalohany matetika
👉 SPONDYLARTHRITE ANKYLOSANTE: mitovy ny arthrite ihany fa ny tehezan-damosina na ny colonne vertébrale no tratrany
👉 POLYMIALGIE RHUMATISMALES : douleur musculaire eo amin'ny lamosina sy ny épaule indray izy ity ary lasa manano sarotra ny fihetsikekehan'ny vatana tratrany
👉 FIBROMYALGIE : ny vatana iray manontolo mihitsy no tratrany amin'ny ankapobeany
👉 RHUMATISME PSORIASIQUE : azo avy amin'ny olan'ny système immunitaire an'ny hoditra izy ity ka manimba ireo " ligaments" mitambatra amin'ny taolana
👉 RHUMATISME NON INFLAMMATOIRE : izany hoe tsy ahitana fivontosana fa fanaintainana tsy zaka amin'ny taolana sy ny ozatra ary ny vanin-taolana
AHOANA NY FISEHON'NY OLAN'NY OZATRA SY NY VANIN-TAOLANA ??
👉 Mangontsongotsoka ny ozatra sy ny vanin-taolana
👉 Tsy afaka mihetsika firy fa ohatran'ny miraikitra tampoka izany indraindray ny vatana rehefa avy tsy nihetsika elaela indrindra ilay avy matory
AHOANA NO ATAO RAHA TRATRAN'NY OLAN'NY OZATRA SY NY VANIN-TAOLANA ?
👉 Manantona dokotera aloha voalohany indrindra
👉 Ahenao araka izay azo atao ny stress amin'ny halalan'ny fanaovana respiration profonde, yoga, méditation, fialam-bola
👉 Ajanony ny zava-mahadomelina tahaka ny taoka, sigara, paraky sns
👉 Ajanona ny fihinanana viande rouge, fruits de mer ( crevettes sns), boissons gazeuses et sucrés
👉 Fadio ny mibata zavatra mavesatra
👉 Manaova rééducation : manantona kinésithérapeute
👉 Manaova fanatajahan-tena maivana
👉 Manaova foana mafàna indrindra amin'zao andro mangatsiaka izao satria ny hatsiaka isan'ny mampihetsika be ny fanaintainana ary tena tsy tian'ny ozatra sy ny vanin-taolana marary.
👉Mihinana sakafo ara-pahasalamana ary indrindra ireo sakafo ilain'ny taolana sy ozatra tahaka ny:
- Thé tamotamo sy poivre: tamotamo vaingany atsasaky ankihibe raper'na + rano mamay izay zaka 1 verre + poudre poivre roa tsongo + Tantely 1 sotrokely ( raha tsy diabetika). Ireo afangaro dia sotroina miaraka amin'ny faikany ilay maraina vao mifoha tsy mbola nisakafo. Miandry 30min farafahakeliny vao misakafo.
- Sakafo be VITAMINE D tahaka ny zavoka, sakay, chocolat noir, brocoli, agrumes
- Sakafo be Omega 3 tahaka ny trondro (saumon, thon, maquereau, hareng, flétan, sardine sns), zavoka, graine de chia, graine de lin, noix, amande, purée de noisettes
- Sakafo be acide hyaluronique, be glucosamine ary be chodroitine izay tena ilain'ny ozatra sy vanin-taolana amin'ny fahasalamany.
Mirary soa sy fahasalamana hatrany tompoko ✨
@à la une