11/03/2026
💼 TOROHEVITRA ALOHAN’NY HIALANA AMIN’NY ASA (DÉMISSION)
Ry namako, aza maika miala amin’ny asa raha mbola tsy vonona tsara ny zavatra hasolo azy.
Isika olombelona dia tsy mora afa-po amin’ny vola.
Raha mahazo 1 000 000 Ar isam-bolana dia miezaka hahazo 2 000 000 Ar indray. Ara-boajanahary izany.
Saingy tandremo:
Maro ny olona miala tampoka amin’ny asa rehefa mahita asa toa tsara kokoa, nefa rehefa afaka fotoana fohy dia voaroaka na tapitra ny contrat ka lasa manenina.
👉 Tadidio:
Raha niala tamin’ny asa iray ianao mba hiditra amin’ny orinasa hafa, mbola mpiasa ihany ianao.
Noho izany dia ilaina ny miomana tsara.
📊 1. Araho maso tsara ny karamanao
Ataovy mazava tsara ny vola miditra sy vola mivoaka.
Zarao ho sokajy ny fandaniana:
• Fandaniana tsy miova
(ofa-trano, écolage, facture, sns)
• Fandaniana miovaova
(sakafo, bazary, shopping, sns)
• Fandaniana tsy ampoizina
(aretina, sarandalana, fanamboarana bicyclette, sarety, sns)
⚠️ Ireo fandaniana ireo matetika no manimba ny karama raha tsy voafehy tsara.
💰 2. Manaova tahiry
Tsy voatery ho tahiry be no ilaina.
Fa zava-dehibe ny fahazarana manangona, na dia kely aza.
Ny tahiry dia manampy amin’ny:
• fahaverezan’asa
• olana tampoka
• aretina
• fiomanana amin’ny ho avy
👉 Ny tahiry dia fiarovana ho an’ny fianakaviana.
📈 3. Manaova fampiasam-bola
Tanjona iray lehibe ny hoe:Tsy mijanona ho mpiasa mandrakizay, fa ho lasa mpampiasa olona indray andro any.
Tsara ny miasa amin’olona.
Fa tsara kokoa ny manana orinasa ka mampiasa olona.
Rehefa misy vola tafangona dia:
• ampiasao hanaovana business
• ampitomboy ny fahalalana (boky, formation, YouTube)
• mianara amin’ny olona mahomby
⚠️ Maro no maniry hanangana orinasa
fa vitsy no mahavita, satria tsy ampy fahavononana.
⚖️ Rahoviana vao afaka miala amin’ny asa?
Ohatra:
Raha 400 000 Ar ny karamanao isam-bolana
👉 tokony efa manana 400 000 Ar na mihoatra vola miditra hafa ianao
vao tsara ny miala.Satria efa mahavita ny filànao andavanandro izany.
✍️